-
Deoteronomia 15:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 “Raha miteny aminao anefa izy hoe: ‘Izaho tsy hiala ato aminao!’ satria tiany ianao sy ny ankohonanao ary nahafinaritra azy ny tao aminareo,+ 17 dia makà haolo ka teveho amin’iny eo amin’ny varavarana ny sofiny. Dia ho lasa mpanomponao mandra-pahafatiny izy. Hoatr’izany koa atao raha vehivavy ilay mpanompo.
-