-
Eksodosy 36:37, 38Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
37 Avy eo dia nanao lamba fanakonana an’ilay fidirana* amin’ny tranolay izy, ary mpanenona no nanao izany tamin’ny kofehy manga, sy volonondry volomparasy, sy kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara.+ 38 Nataony koa ireo andry dimy sy ny faraingo hihantonan’ilay lamba. Ary nopetahany takela-bolamena ny tampon’ireo andry sy ny fampitohizana* teo aminy, fa varahina kosa ny faladiany dimy hitsatohany.
-