-
Eksodosy 38:18, 19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Notenomina tamin’ny kofehy manga, sy volonondry volomparasy, sy kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara ny lamba fanakonana an’ilay fidirana* mankao amin’ilay tokotany. Nirefy 20 hakiho ny lavany ary 5 hakiho ny haavony, nitovy tamin’ny haavon’ny fefy lamban’ilay tokotany.+ 19 Ary varahina ny andry efatra teo amin’ilay lamba fanakonana sy ny faladiany efatra nitsatohan’ireo andry. Volafotsy kosa ireo faraingo teo aminy, ary nopetahana takela-bolafotsy ny tampon’ireo andry sy ny fampitohizana* azy ireo.
-