-
Eksodosy 39:15-18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Dia nasian’izy ireo rojo mirandrana toy ny tady, vita tamin’ny volamena tsy misy fangarony,+ teo amin’ilay saron-tratra. 16 Ary nanao tranotranony volamena roa sy mason-drojo volamena roa izy ireo, ary nasiany mason-drojo iray avy ny zorony roa tamin’ilay saron-tratra. 17 Avy eo, dia natsofony teo amin’ireo mason-drojo roa teo amin’ny zoron’ilay saron-tratra ireo tady volamena roa. 18 Dia natsofony teo amin’ireo tranotranony roa ny lohan’ireo tady roa, ka natambany tamin’ny lamban-tsoroky ny efoda teo anoloana.
-