-
Deoteronomia 9:18, 19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Niankohoka teo anatrehan’i Jehovah 40 andro sy 40 alina aho avy eo, hoatran’ilay tamin’ny voalohany ihany. Tsy nihinan-kanina aho tamin’izay na nisotro rano,+ noho ny fahotana rehetra nataonareo. Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah mantsy ianareo, ka nampahatezitra azy. 19 Fa natahotra be aho satria tena tezitra be taminareo i Jehovah,+ ka efa saika handringana anareo. Mbola nihaino ahy ihany anefa i Jehovah tamin’izay.+
-