21 Dia nalaiko ilay zanak’omby, dia ilay fahotana nataonareo,+ ka nodorako tao anaty afo. Dia nopotipotehiko sy notorotoroiko tanteraka ilay izy ka lasa vovoka madinika tamin’ny farany. Natsipiko tao amin’ilay renirano nikoriana avy tany amin’ilay tendrombohitra ny vovony avy eo.+