FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 33:22, 23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Hataoko eo an-tsefatsefaky ny vatolampy ianao rehefa mandalo ny voninahitro, ary hotakonako amin’ny tanako ianao mandra-pandaloko. 23 Hesoriko ny tanako avy eo, ka ny lamosiko no ho hitanao. Fa ny tarehiko kosa tsy azo jerena.”+

  • Nomery 12:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Miresaka mivantana aminy mihitsy aho,+ sady miresaka mazava tsara, fa tsy mampiasa teny saro-pantarina. Ny endrik’i Jehovah mihitsy no hitany. Koa nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an’i Mosesy mpanompoko?”

  • Deoteronomia 34:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Mbola tsy nisy mpaminany tena fantatr’i Jehovah tsara*+ hoatran’i Mosesy+ mihitsy anefa teo amin’ny Israely.

  • Jaona 1:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Mbola tsy nisy nahita an’Andriamanitra mihitsy,+ fa ilay hany andriamanitra nateraka,+ izay eo akaikin’ny Ray,*+ no nanazava ny momba Azy.+

  • Jaona 6:46
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 46 Tsy nisy nahita ny Ray,+ afa-tsy ilay avy any amin’Andriamanitra. Izy no nahita ny Ray.+

  • Asan’ny Apostoly 7:38
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 38 Izy ilay teo amin’ny fiangonana tany an-tany efitra niaraka tamin’ilay anjely+ niresaka taminy+ tany amin’ny Tendrombohitra Sinay, sy niaraka tamin’ny razambentsika. Ary izy no nandray ny teny masina sady velona, mba homena antsika.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara