-
Levitikosy 5:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Hitondra fanatitra noho ny heloka ho an’i Jehovah koa izy noho ny ota nataony,+ ka ondrivavy kely na osivavy kely no hoentiny ho fanatitra noho ny ota. Dia handrakotra ny fahotany ny mpisorona.
-
-
Levitikosy 6:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Ary hitondra ondrilahy tsy misy kilema any amin’ny mpisorona izy, ho fanatitra noho ny heloka ho an’i Jehovah. Tokony ho araka ny vidiny hanombanana azy izany, ho fanatitra noho ny heloka.+
-
-
Levitikosy 14:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 “Izao no lalàna momba ny boka, amin’ny andro anekena azy ho madio, rehefa hoentina any amin’ny mpisorona izy:+
-
-
Levitikosy 19:20, 21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 “‘Raha misy lehilahy manao firaisana amin’ny vehivavy ary mpanompo efa nomena ho fofombadin’olona ilay vehivavy, nefa mbola tsy navotana na nafahana, dia tokony hosazina izy ireo. Tsy tokony hovonoina ho faty anefa izy ireo, satria mbola tsy olona afaka ilay vehivavy. 21 Tokony hitondra fanatitra noho ny heloka ilay lehilahy, ka ondrilahy iray no hoentiny ho an’i Jehovah, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.+
-
-
Nomery 6:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Dia ho Nazirita eo anatrehan’i Jehovah indray izy mandritra an’ireo andro maha Nazirita azy. Hitondra ondrilahy kely tsy mihoatra ny herintaona koa izy ho fanatitra noho ny heloka. Tsy hisaina anefa ireo andro teo aloha, satria nolotoiny ny maha Nazirita azy.
-