-
Eksodosy 29:24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Ataovy eo amin’ny tanan’i Arona sy ny zanany ireo rehetra ireo, ary ahetsiketseho* ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan’i Jehovah.
-
-
Levitikosy 8:25-27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Dia nalainy ny tavin’ilay ondry, izany hoe ny rambony matavy,* ny taviny rehetra teo amin’ny tsinainy, ny jabora teo amin’ny atiny, ny voa roa sy ny tavin’ireo, ary ny feny ankavanana.+ 26 Ary naka mofo tao amin’ny harona fasiana mofo tsy misy lalivay teo anatrehan’i Jehovah izy, dia mofo boribory iray tsy misy lalivay,+ sy mofo boribory iray misy menaka,+ ary mofo fisaka iray. Dia napetrany teo ambonin’ny tavin’ilay ondry sy ilay feny ankavanana ireo. 27 Avy eo dia napetrany teo amin’ny felatanan’i Arona sy ny zanany lahy ireo rehetra ireo, ka nahetsiketsiny ho fanatitra ahetsiketsika teo anatrehan’i Jehovah.
-
-
Levitikosy 9:21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Fa ny tratran-kena sy ny feny ankavanana kosa nahetsiketsiny ho fanatitra ahetsiketsika teo anatrehan’i Jehovah, araka ny didy nomen’i Mosesy.+
-