-
Levitikosy 4:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 “‘Fa ny hoditr’ilay omby kosa, sy ny henany rehetra, sy ny lohany, sy ny tongony, sy ny tsinainy, ary ny tainy+— 12 ny ambiny rehetra amin’ilay omby—dia hasainy entina any ivelan’ny toby, eo amin’ny toerana madio fanariana ny lavenona.* Ary hodorany eo ambonin’ny kitay izany.+ Eo amin’izay anariana ny lavenona no handoroana azy.
-
-
Levitikosy 16:27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 “Ary hoentina any ivelan’ny toby ilay omby sy ilay osilahy izay samy natao fanatitra noho ny ota, rehefa avy nentina tao amin’ny toerana masina ny ran’izy ireo mba handrakofam-pahotana. Ary hodorana amin’ny afo ny hodiny sy ny henany ary ny tainy.+
-