-
Eksodosy 29:15-18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 “Avy eo dia alaivo ny ondrilahy iray. Ary hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay ondry i Arona sy ny zanany lahy.+ 16 Dia vonoy ilay ondry, ka alaivo ny rany ary afafazo eo amin’ny lafiny rehetra amin’ilay alitara.+ 17 Teteho ilay ondry ary sasao ny tsinainy+ sy ny tongony. Dia alaharo tsara miaraka amin’ny lohany ireo tapany efa voatetika. 18 Dory ilay ondry manontolo mba hidona-tsetroka eo ambony alitara. Fanatitra dorana ho an’i Jehovah izany, mba ho hanitra mahafinaritra* azy.+ Fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah izany.
-
-
Levitikosy 1:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Dia hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay fanatitra dorana izy, ary hekena handrakofana ny fahotany izany.
-