-
Levitikosy 15:4-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 “‘Haloto izay fandriana atorian’ilay olona misy tsiranoka mivoaka, ary haloto koa izay zavatra ipetrahany. 5 Tsy maintsy manasa ny akanjony izay mikasika ny fandrianan’ilay olona, ary tokony handro amin’ny rano. Haloto mandra-paharivan’ny andro izy.+ 6 Tokony hanasa ny akanjony sy handro amin’ny rano izay mipetraka eo amin’ny zavatra nipetrahan’ilay olona misy tsiranoka mivoaka. Haloto mandra-paharivan’ny andro izy.
-