-
Eksodosy 30:34-36Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Makà an’ireto zava-manitra ireto, ary ataovy mitovy daholo ny fatrany:+ Ditin-kazo stakite, onyka, galbanoma manitra, ary ditin-kazo manitra tsy misy fangarony. 35 Dia amboary ho emboka manitra izany.+ Tokony hafangaro tsara* ireo zava-manitra ireo, ary hasiana sira+ mba hadio sy ho masina. 36 Ary makà amin’ilay emboka manitra ka totoy ho lasa vovony izany. Dia makà amin’ilay vovony, ka ataovy eo anoloan’ny Tenin’ny Vavolombelona izay ao amin’ny tranolay fihaonana, eo amin’izay hisehoako aminao. Tokony ho zavatra tena masina aminareo izy io.
-
-
Apokalypsy 8:3-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Ary nisy anjely anankiray koa tonga nijoro teo akaikin’ny alitara.+ Nanana fitaovana volamena fandoroana emboka manitra+ izy. Nomena emboka manitra be dia be izy mba hatolony teo ambonin’ilay alitara volamena+ teo anoloan’ny seza fiandrianana, niaraka tamin’ny vavaky ny olona masina rehetra. 4 Dia niakatra avy teo an-tanan’ilay anjely ho eo anatrehan’Andriamanitra ny setroky ny emboka manitra, niaraka tamin’ny vavaky+ ny olona masina. 5 Tonga dia noraisin’ilay anjely anefa ilay fitaovana fandoroana emboka manitra, ka nofenoiny afo avy teo amin’ny alitara. Dia natsipiny mafy tetỳ an-tany ilay afo, ka nisy kotroka sy feo sy tselatra+ ary horohoron-tany.
-