-
Hebreo 5:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Alaina avy amin’ny olona ny mpisoronabe, ary tendrena hanompo an’Andriamanitra+ mba hahasoa ny olona. Amin’izay izy ho afaka hanolotra fanomezana sy sorona noho ny ota.+ 2 Mahay mangoraka an’izay* tsy mahalala na inona na inona sy manao fahadisoana* izy. Izy koa mantsy mba miady amin’ny* fahalemeny. 3 Tsy maintsy manao fanatitra noho ny fahotana nataony koa àry izy, hoatran’ny ataony rehefa manao fanatitra noho ny fahotan’ny vahoaka.+
-