-
Genesisy 19:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Ary nitabataba tamin’i Lota foana izy ireo hoe: “Aiza ireny lehilahy tonga tato aminao androany alina ireny? Avoahy atỳ aminay ireny hanaovanay firaisana.”+
-
-
Mpitsara 19:22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Raha mbola nifalifaly teo izy ireo, dia tonga nanodidina an’ilay trano ny jiolahim-boto sasany tao an-tanàna. Dia nodondonin’izy ireo mafy be ny varavarana, sady hoy foana izy ireo tamin’ilay zokiolona tompon-trano: “Avoahy atỳ ilay lehilahy nankao an-tranonao iny mba hanaovanay firaisana.”+
-
-
Romanina 1:26, 27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 Izany no nahatonga an’Andriamanitra hamela azy hanaram-po amin’ny filan’ny nofo maharikoriko.+ Tsy ny fanao voajanahary intsony mantsy no nataon’ny vehivavy teo aminy, fa ny fanao tsy voajanahary.+ 27 Ny lehilahy koa lasa tsy nanao ny fanao* voajanahary amin’ny vehivavy intsony. Lasa nahery loatra mantsy ny filana tao amin’izy samy lehilahy+ ka nanao zavatra mamoafady izy samy izy. Dia hiharan’ny sazy* sahaza azy izy ireny, noho ny fahadisoany.+
-
-
Joda 7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Nanao hoatran’ireny anjely ireny koa i Sodoma sy Gomora ary ny tanàna nanodidina azy. Nanaram-po tamin’ny fijangajangana* tena mamoafady mantsy izy ireo, sady nanatanteraka ny fanirian’ny nofony mba hanao zavatra tsy fanao.+ Afo maharitra mandrakizay* no saziny, ka lasa anatra ho antsika izy ireo.+
-