-
Levitikosy 2:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Dia hoentiny any amin’ireo mpisorona zanakalahin’i Arona izany. Ary hakan’ny mpisorona eran’ny tanan’ila ilay lafarinina tsara toto misy menaka sy ny ditin-kazo manitra rehetra. Ary hodorany eo ambony alitara izany mba hidona-tsetroka, ho santionany amin’ilay fanatitra.*+ Fanatitra atao anaty afo izany, mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah.
-
-
Levitikosy 6:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Ny iray amin’izy ireo dia haka lafarinina tsara toto eran’ny tanan’ila avy amin’ny fanatitra varimbazaha, ary haka amin’ilay menaka sy ny ditin-kazo manitra rehetra eo ambonin’ilay fanatitra. Ary hodorany hidona-tsetroka eo ambony alitara ireo, ka hamoaka hanitra mahafinaritra* mba ho santionany* amin’ilay fanatitra ho an’i Jehovah.+
-