-
Eksodosy 23:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 “Hamafy voa eo amin’ny taninao sy hanangona ny vokatra avy aminy ianao mandritra ny enin-taona.+ 11 Fa amin’ny taona fahafito kosa, dia tsy hovolenao ilay tany fa havelanao amin’izao fotsiny, ka ny mahantra eo aminao no hihinana an’izay maniry eo. Ary hohanin’ny bibidia izay tsy alain’izy ireo. Izany no hataonao amin’ny tanimboalobokao sy ny sahan’olivanao.
-