-
Josoa 22:7, 8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Efa nomen’i Mosesy lova tany Basana ny antsasaky ny fokon’i Manase,+ fa ny antsasany kosa nomen’i Josoa tany niaraka tamin’ny rahalahiny tetỳ ampita andrefan’i Jordana.+ Nitso-drano azy ireo i Josoa rehefa nandefa azy ho any amin’ny tranolainy. 8 Hoy izy tamin’izy ireo: “Modia any amin’ny tranolainareo, miaraka amin’ny harem-be sy biby fiompy maro be, ary koa volafotsy, volamena, varahina, vy, ary fitafiana be dia be.+ Alaivo ny anjaranareo amin’ny zavatra azo babo+ avy tamin’ny fahavalonareo, ka zarao ho anareo sy ny rahalahinareo.”
-