-
Deoteronomia 3:19, 20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Ny vadinareo sy ny zanakareo ary ny biby fiompinareo ihany no hijanona ao amin’ireo tanàna nomeko anareo—fantatro tsara fa maro be ny biby fiompinareo— 20 mandra-pahazon’ny rahalahinareo an’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrareo azy eny ampitan’i Jordana. Hataon’i Jehovah milamina ny fiainan’izy ireo amin’izay, hoatran’ny nataony taminareo ihany. Aorian’izay ianareo vao hiverina any amin’ny tany efa nomeko anareo avy.’+
-
-
Josoa 1:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Hipetraka etỳ amin’ny tany nomen’i Mosesy anareo etỳ ampitan’i* Jordana ny vadinareo sy ny zanakareo ary ny biby fiompinareo.+ Fa ianareo miaramila matanjaka rehetra+ kosa, tokony hiampita ka hilahatra hiady eo alohan’ny rahalahinareo.+ Tsy maintsy ampianareo ny rahalahinareo, 15 mandra-pahatongan’izy ireo any amin’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrareo azy. Hataon’i Jehovah milamina ny fiainan’izy ireo amin’izay, hoatran’ny nataony taminareo. Avy eo, dia miverena eto amin’ny tany nomena anareo ary mipetraha eto, dia eto amin’ilay tany nomen’i Mosesy mpanompon’i Jehovah anareo, etỳ atsinanan’i Jordana.’”+
-
-
Josoa 13:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase kosa efa nahazo ny lovany teny ampita atsinanan’ny Reniranon’i Jordana, araka izay efa nomen’i Mosesy mpanompon’i Jehovah azy ireo. Ireto avy izany:+
-