-
Eksodosy 26:32Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 Ahantòny amin’ny andry efatra vita amin’ny hazo akasia ilay izy. Hopetahana takela-bolamena ireo andry, ary volamena no hanaovana an’ireo faraingo eo aminy. Ary hatsatoka amin’ny faladiany volafotsy efatra ireo andry.
-
-
Eksodosy 26:37Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
37 Dia manaova andry dimy amin’ny hazo akasia hihantonan’ilay lamba fanakonana,* ary petaho takela-bolamena ireo andry. Volamena no hanaovana an’ireo faraingo eo aminy. Ary handrendrika varahina ianao mba hanaovana faladiany dimy hitsatohan’ireo andry.
-
-
Eksodosy 36:37, 38Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
37 Avy eo dia nanao lamba fanakonana an’ilay fidirana* amin’ny tranolay izy, ary mpanenona no nanao izany tamin’ny kofehy manga, sy volonondry volomparasy, sy kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara.+ 38 Nataony koa ireo andry dimy sy ny faraingo hihantonan’ilay lamba. Ary nopetahany takela-bolamena ny tampon’ireo andry sy ny fampitohizana* teo aminy, fa varahina kosa ny faladiany dimy hitsatohany.
-