-
Eksodosy 26:37Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
37 Dia manaova andry dimy amin’ny hazo akasia hihantonan’ilay lamba fanakonana,* ary petaho takela-bolamena ireo andry. Volamena no hanaovana an’ireo faraingo eo aminy. Ary handrendrika varahina ianao mba hanaovana faladiany dimy hitsatohan’ireo andry.
-
-
Eksodosy 36:38Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
38 Nataony koa ireo andry dimy sy ny faraingo hihantonan’ilay lamba. Ary nopetahany takela-bolamena ny tampon’ireo andry sy ny fampitohizana* teo aminy, fa varahina kosa ny faladiany dimy hitsatohany.
-