-
Josoa 5:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Ny ampitson’ny Paska, dia nanomboka nihinana ny vokatry ny tany izy ireo, izany hoe mofo tsy misy lalivay+ sy voam-bary natono. 12 Dia tsy nisy intsony ny mana nanomboka tamin’ilay andro nihinanan’izy ireo ny vokatry ny tany. Tsy nisy mana ho an’ny Israelita intsony,+ fa nanomboka nihinana ny vokatry ny tany tao Kanana izy ireo, tamin’iny taona iny.+
-