Levitikosy 21:1 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 21 Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Ilazao ireo mpisorona zanakalahin’i Arona hoe: ‘Tsy tokony hisy amin’izy ireo handoto ny tenany rehefa misy maty eo amin’ny fireneny.*+ Levitikosy 21:11 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 11 Tsy tokony hanakaiky olona* maty izy,+ ary tsy mahazo mandoto ny tenany na dia ny rainy sy ny reniny aza no maty. Nomery 5:2 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 2 “Omeo baiko ny Israelita hoe avoahy eny ivelan’ny toby daholo izay olona boka,+ na misy tsiranoka mivoaka amin’ny taovam-pananahany,+ na maloto satria nikasika faty.+ Nomery 6:9 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 9 Fa raha misy olona maty tampoka kosa eo akaikiny+ ka voaloto ilay volo famantarana hoe nanokan-tena ho an’Andriamanitra izy,* dia hosolainy ny lohany+ amin’ny andro hanekena azy hoe madio. Tokony hosolaina izy amin’ny andro fahafito. Nomery 9:6 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 6 Naloto anefa ny olona sasany satria nikasika faty,+ ka tsy afaka nikarakara ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska, tamin’iny andro iny. Koa niseho teo anatrehan’i Mosesy sy Arona izy ireo tamin’izay,+ Nomery 31:19 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 19 Ary mitobia fito andro atỳ ivelan’ny toby. Izay rehetra nahafaty olona aminareo sy nikasika faty,+ dia tokony hanadio ny vatany,+ amin’ny andro fahatelo sy amin’ny andro fahafito. Tokony hanadio ny tenany koa ny olona nentinareo ho babo.
21 Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Ilazao ireo mpisorona zanakalahin’i Arona hoe: ‘Tsy tokony hisy amin’izy ireo handoto ny tenany rehefa misy maty eo amin’ny fireneny.*+
11 Tsy tokony hanakaiky olona* maty izy,+ ary tsy mahazo mandoto ny tenany na dia ny rainy sy ny reniny aza no maty.
2 “Omeo baiko ny Israelita hoe avoahy eny ivelan’ny toby daholo izay olona boka,+ na misy tsiranoka mivoaka amin’ny taovam-pananahany,+ na maloto satria nikasika faty.+
9 Fa raha misy olona maty tampoka kosa eo akaikiny+ ka voaloto ilay volo famantarana hoe nanokan-tena ho an’Andriamanitra izy,* dia hosolainy ny lohany+ amin’ny andro hanekena azy hoe madio. Tokony hosolaina izy amin’ny andro fahafito.
6 Naloto anefa ny olona sasany satria nikasika faty,+ ka tsy afaka nikarakara ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska, tamin’iny andro iny. Koa niseho teo anatrehan’i Mosesy sy Arona izy ireo tamin’izay,+
19 Ary mitobia fito andro atỳ ivelan’ny toby. Izay rehetra nahafaty olona aminareo sy nikasika faty,+ dia tokony hanadio ny vatany,+ amin’ny andro fahatelo sy amin’ny andro fahafito. Tokony hanadio ny tenany koa ny olona nentinareo ho babo.