-
Nomery 23:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Ary hoy i Balaka taminy: “Andao re hifindra any an-toeran-kafa hahitanao an-dry zareo koa e! Ny sasany amin-dry zareo ihany no ho hitanao, fa tsy izy rehetra. Dia ozòny ry zareo rehefa any ianao.”+ 14 Koa nentiny nankeo amin’ny sahan’i Zofima teo an-tampon’i Pisga+ i Balama. Dia nanorina alitara fito i Balaka, ary nanolotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay.+
-
-
Nomery 23:28-30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Dia nentin’i Balaka teo an-tampon’i Peora izy, teo amin’ilay ahatazanana an’i Jesimona.*+ 29 Ary hoy i Balama tamin’i Balaka: “Manorena alitara fito eto amin’ity toerana ity, dia asio ombilahy fito sy ondrilahy fito efa vonona eto, fa ilaiko.”+ 30 Dia nataon’i Balaka izay nolazain’i Balama, ka nanolotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay izy.
-