-
Genesisy 48:19, 20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Tsy nety mihitsy anefa ny rainy, fa niteny hoe: “Fantatro izany, anaka, fantatro izany. Ho lasa firenena koa izy sady hahery. Ny zandriny anefa mbola hahery noho izy,+ ary ny taranany ho lasa be dia be ka ho lasa firenena maro.”+ 20 Mbola nitso-drano azy ireo ihany àry izy tamin’io andro io+ hoe:
“Enga anie hanonona ny anaranao ny Israely rehefa mitso-drano, ka hilaza hoe:
‘Hataon’Andriamanitra ho tahaka an’i Efraima sy ho tahaka an’i Manase anie ianao!’”
Koa i Efraima foana no nataony alohan’i Manase.
-