-
Nomery 35:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Fidio izay tanàna mety aminareo, mba hatao tanàna fialokalofana handosiran’izay nahafaty olona tsy nahy.+
-
-
Nomery 35:25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Avy eo dia hovonjen’ny fiangonana mba tsy ho tratran’ny mpamaly ra ilay nahafaty olona, ka haverina any amin’ilay tanàna fialokalofana efa nalehany tamin’izy nandositra. Hipetraka any izy mandra-pahafatin’ny mpisoronabe izay nohosorana menaka masina.+
-
-
Deoteronomia 19:4, 5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 “Izao no tokony hataon’izay namono olona ka mahazo mandositra any mba tsy ho faty: Raha nahafaty olona tsy nahy izy nefa tsy nankahala an’ilay olona,+ 5 ohatra hoe tamin’izy niaraka tamin’ilay olona haka kitay tany anaty ala, dia nanainga famaky izy mba hikapa hazo, nefa niala tamin’ny tahony ny lelan’ilay famaky ka nahavoa an’ilay olona ary maty ilay olona, dia tokony handositra any amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo izy mba tsy ho faty.+
-