-
Deoteronomia 4:40Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
40 Araho ny fitsipiny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba handeha tsara foana ny fiainanao sy ny an’ny taranakao. Dia ho ela velona eo amin’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrao anao ianao.”+
-
-
Deoteronomia 12:28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 “Ankatoavy tsara daholo ireo teny rehetra andidiako anao ireo. Amin’izay dia handeha tsara foana ny fiainanao sy ny an’ny taranakao, satria manao izay tsara sy mety eo imason’i Jehovah Andriamanitrao ianao.
-
-
Romanina 10:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Izao mantsy no nosoratan’i Mosesy momba ny atao hoe olo-marina raha araka ny Lalàna: “Izay olona mankatò an’ireny no ho velona amin’ny alalan’ireny.”+
-