-
Eksodosy 23:33Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
33 Tsy tokony hipetraka ao amin’ny taninao izy ireo, sao hahatonga anao hanota amiko. Raha sanatria manompo an’ireo andriamaniny ianao, dia tena ho voafandrika.”+
-
-
Deoteronomia 12:30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 Tandremo anefa sao voafandrika hanaraka ny fanaon-dry zareo ianao, rehefa aringan’Andriamanitra tsy ho eo anatrehanao ry zareo. Aza manontanintany momba ny andriamaniny, hoe: ‘Mba ahoana àry no fanaon’ireo firenena ireo rehefa manompo ny andriamaniny ry zareo? Mba hanao hoatr’izany koa aho.’+
-
-
Mpitsara 2:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Ianareo kosa tsy tokony hanao fifanekena amin’ny olona mipetraka eto amin’ity tany ity.+ Tokony harodanareo koa ny alitarany.’+ Tsy nanaraka ny teniko anefa ianareo.+ Fa maninona ianareo no nanao an’izany? 3 Izany koa no nahatonga ahy hiteny hoe: ‘Tsy horoahiko eo anoloanareo izy ireny+ ka hamandrika anareo.+ Dia ho voatarika hanompo ny andriamaniny ianareo.’”+
-