-
Levitikosy 17:3, 4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 “‘“Raha misy amin’ny taranak’Israely mamono omby, na ondrilahy kely, na osy, ao amin’ny toby na any ivelan’ny toby, 4 fa tsy mitondra an’izany eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana mba hatolotra ho fanatitra ho an’i Jehovah, eo anoloan’ny tranolain’i Jehovah, dia meloka ho nandatsa-dra izy. Nandatsa-dra ilay olona, ka haringana tsy ho anisan’ny fireneny.
-