-
Eksodosy 18:25, 26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Nifidy lehilahy mahay teo amin’ny Israely rehetra i Mosesy, ka nanendry azy ireo ho lohandohany teo amin’ny vahoaka, dia lehiben’ny arivo, lehiben’ny zato, lehiben’ny dimampolo, ary lehiben’ny folo. 26 Koa izy ireo no nitsara ny vahoaka, rehefa nisy raharaha tsy nampifanaraka azy ireo. Nentiny tany amin’i Mosesy ny raharaha sarotra,+ fa ny raharaha tsotsotra rehetra kosa notsarainy ihany.
-
-
2 Tantara 19:4, 5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Mbola nipetraka tao Jerosalema i Josafata. Dia noteteziny indray ny vahoaka hatrany Beri-sheba ka hatrany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima,+ ka nasainy niverina tamin’i Jehovah Andriamanitry ny razambeny.+ 5 Nanendry mpitsara nanerana an’ilay tany koa izy, isaky ny tanàna rehetra voaro mafy tao Joda.+
-