-
Josoa 8:33Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
33 Ary ny Israely rehetra, sy ny anti-panahy, sy ny mpifehy, ary ny mpitsara teo aminy, dia nitsangana teo amin’ny andaniny sy ankilany amin’ny Vata, teo anoloan’ny Levita mpisorona izay nilanja ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah. Teo koa na ny vahiny na ny teratany.+ Nitsangana teo anoloan’ny Tendrombohitra Gerizima ny antsasak’izy ireo, ary teo anoloan’ny Tendrombohitra Ebala+ ny antsasany, araka izay efa nandidian’i Mosesy mpanompon’i Jehovah,+ mba hilaza an’izay fitahiana ho azon’ny vahoakan’Israely.
-