-
Deoteronomia 11:26-28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 “Omeko safidy àry ianareo anio hoe fitahiana sa ozona:+ 27 Fitahiana raha mankatò ny didin’i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo anio ianareo,+ 28 ary ozona kosa raha tsy mankatò ny didin’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo,+ fa miala amin’ny lalana atoroko anareo anio ka manompo andriamani-kafa tsy fantatrareo.
-
-
Deoteronomia 28:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Ary ho tonga aminao sady hahatratra anao ireto fitahiana rehetra ireto,+ satria ianao mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao foana:
-
-
Deoteronomia 28:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 “Raha tsy mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao, ka tsy mankatò ny didiny rehetra sy ny lalàny omeko anao androany, dia ho tanteraka aminao ireto ozona rehetra ireto, sady hahatratra anao:+
-