-
Josoa 6:17, 18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Tsy maintsy haringana tanteraka* ilay tanàna sy ny zava-drehetra ao aminy.+ An’i Jehovah daholo izany. I Rahaba+ mpivaro-tena sy ny olona rehetra miaraka aminy ao an-trano ihany no aza vonoina ho faty, satria nanafina an’ireo olona nirahintsika izy.+ 18 Aza manakaiky an’izay zavatra voatokana haringana,+ sao hotsiriritinareo ireny ka halainareo.+ Ho voatokana haringana mantsy ny tobin’ny Israely ka hahita loza,* raha manao an’izany ianareo.+
-