-
Nomery 18:24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Fa efa nomeko ho lovan’ny Levita ny ampahafolon-karena omen’ny vahoakan’Israely ho fanomezana ho an’i Jehovah. Izany no nilazako taminy hoe: ‘Tsy hahazo lova eo amin’ny Israelita izy ireo.’”+
-
-
Nomery 26:62, 63Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
62 Nisy 23 000 no voasoratra anarana rehetra, dia ny lahy rehetra iray volana no ho miakatra.+ Tsy nosoratana anarana niaraka tamin’ny Israelita mantsy izy ireo,+ satria tsy tokony homena lova teo amin’ny Israelita.+
63 Ireo no voasoratra anarana, ka i Mosesy sy Eleazara mpisorona no nanoratra ny anarany, tamin’izy ireo nanoratra ny anaran’ny Israelita tany amin’ny lemaka karakaina any Moaba, any akaikin’ny Reniranon’i Jordana sady tandrifin’i Jeriko.
-
-
Deoteronomia 18:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 “Tsy homena anjara na lova eo amin’ny Israely ny Levita mpisorona, sy ny fokon’i Levy manontolo mihitsy. Ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah no hohaniny, fa izany no lovany.+
-