-
Nomery 27:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 Ary nanatona an’i Mosesy ny zanakavavin’i Zelofada,+ zanakalahin’i Hefera, zanak’i Gileada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, avy tamin’ny fianakaviamben’i Manase zanak’i Josefa. Ireto avy ny anaran’ireo zanany vavy ireo: Mahala, Noa, Hogla, Milka, ary Tirza. 2 Dia nijoro teo anatrehan’i Mosesy sy Eleazara mpisorona sy ny mpiadidy+ ary ny vahoaka manontolo izy ireo, teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana, ka niteny hoe:
-
-
Josoa 14:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Dia naka ny lovany tao amin’ny tany Kanana ny Israelita. I Eleazara mpisorona sy Josoa zanak’i Nona ary ireo lohan’ny fianakaviamben’ireo fokon’ny Israely no nanome azy ireo an’izany.+
-