FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 16:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Rehefa nandeha ny fotoana, dia hitan’ny anjelin’i Jehovah teo akaikin’ny loharano iray tany an-tany efitra i Hagara. Teo amin’ny lalana mankany Sora+ io loharano io.

  • Genesisy 16:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ary nantsoin’i Hagara ny anaran’i Jehovah, ilay niresaka taminy, dia hoy izy: “Andriamanitra mahita tokoa ianao!”+ Fa hoy izy: “Izaho ve dia tena nahita an’ilay mahita ahy tokoa, teto amin’ity toerana ity?”

  • Genesisy 32:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Farany, dia i Jakoba irery no teo. Dia avy eo nisy lehilahy nifampitolona taminy, mandra-pahazava ratsin’ny andro.+

  • Genesisy 32:30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Dia nataon’i Jakoba hoe Peniela*+ ny anaran’ilay toerana, satria hoy izy: “Efa nifanatrika tamin’Andriamanitra aho, nefa mbola velona ihany.”+

  • Mpitsara 13:21, 22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Ary tsy niseho tamin-dry Manoa mivady intsony ilay anjelin’i Jehovah. Dia fantatr’i Manoa fa anjelin’i Jehovah ilay izy.+ 22 Dia hoy i Manoa tamin’ny vadiny: “Tena ho faty isika, satria nahita an’Andriamanitra.”+

  • Lioka 1:11, 12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Dia nisy anjelin’i Jehovah* niseho tamin’i Zakaria, ary nitsangana teo ankavanan’ny alitara fandoroana emboka manitra ilay anjely. 12 Taitra i Zakaria nahita azy, ary natahotra be.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara