-
Eksodosy 14:25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Nesoriny ny kodiaran’ny kalesin’izy ireo mba ho sarotra entina. Dia hoy ny Ejipsianina: “Andao handositra fa aza manakaiky an’ireo Israelita ireo, fa i Jehovah no miady ho an-dry zareo mba handresena antsika Ejipsianina.”+
-
-
2 Mpanjaka 7:6, 7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Efa nataon’i Jehovah nandre feona tafika lehibe mantsy ny miaramila tao amin’ny tobin’ny Syrianina, dia feona kalesy fitondra miady sy soavaly nirodorodo.+ Koa nifampiresaka izy ireo hoe: “Nokaramain’ny mpanjakan’ny Israely hiady amintsika ireo mpanjakan’ny Hetita sy ireo mpanjakan’i Ejipta!” 7 Tonga dia lasa nandositra àry izy ireo tamin’ilay harivariva efa maizimaizina iny, ka nilaozany ny tranolainy sy ny soavaliny ary ny ampondrany. Navelany fotsiny teo ny tobiny manontolo, ary lasa nitsoaka namonjy ny ainy izy ireo.
-