-
Mpitsara 9:28, 29Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Ary hoy i Gala zanak’i Ebeda: “Fa iza moa i Abimeleka zanak’i Jerobala?+ Ary iza moa i Zebola, izay notendreny hanana fahefana eto Sekema? Fa iza moa ry zareo no hotompointsika? Tsy aleo ve manompo ny olon’i Hamora, rain’i Sekema? Fa maninona isika no hanompo an’i Abimeleka? 29 Raha mba izaho mantsy no mifehy an’ity vahoaka ity, dia ho efa naongako i Abimeleka!” Dia hoy izy momba an’i Abimeleka: “Ampitomboy ny isan’ny miaramilanao, dia mivoaha hiady amiko!”
-