7 Ary hoy i Samsona tamin’izy ireo: “Raha izany no ataonareo, dia tsy hijanona mihitsy aho raha tsy vitako ny mamaly an’izay nataonareo.”+ 8 Dia novonoiny tsirairay izy ireo, ary be dia be no maty. Nidina izy avy eo ka nipetraka tao anaty lava-bato, tany amin’ny harambato atao hoe Etama.