FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 19:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Aza manaraka an’ireo andriamanitra tsy misy dikany,+ na manao andriamanitra vita amin’ny metaly narendrika.+ Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

  • Deoteronomia 27:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 “‘Voaozona izay manao sary sokitra,+ na sarivongana metaly,*+ dia zavatra maharikoriko an’i Jehovah+ sady asa tanan’ny mpanao asa tanana.* Voaozona izay manao an’izany sady manafina an’ilay izy.’ Dia hamaly ny olona rehetra hoe: ‘Amena!’*

  • Mpitsara 17:3-5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Naveriny tany amin’ny reniny àry ilay volafotsy 1 100 sekely. Hoy anefa ny reniny: “Tsy maintsy hohamasiniko ho an’i Jehovah ilay volafotsy, anaka, amin’izay ianao afaka manamboatra sary sokitra sy sarivongana metaly*+ amin’ilay izy. Iny fa averiko aminao indray ilay izy izao.”

      4 Rehefa naveriny tany amin’ny reniny ilay volafotsy, dia naka volafotsy 200 sekely ny reniny ary nomeny ny mpanefy volafotsy izany. Nanamboaran’ilay mpanefy sary sokitra sy sarivongana metaly* ilay izy, dia napetraka tao an-tranon’i Mika. 5 Nanana tranon’andriamanitra io Mika io, ary nanamboatra efoda+ sy sarivongana terafima.*+ Dia notendreny* ny iray tamin’ny zanany lahy mba ho mpisorona ho azy.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara