16Nampidirina tao amin’ny tranolay àry ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra ka napetraka tao.+ Natsangan’i Davida ho an’ilay Vata io tranolay io. Dia nanolotra fanatitra dorana sy sorona iombonana teo anatrehan’Andriamanitra ny olona.+
4 Efa nentin’i Davida niakatra avy tany Kiriata-jearima+ ho any amin’ilay toerana nomaniny ho azy anefa ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra. Efa nanangana tranolay ho an’io Vata io mantsy izy tao Jerosalema.+