-
1 Samoela 10:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Ary nantsoin’i Samoela hankeo anatrehan’i Jehovah tao Mizpa+ ny vahoaka.
-
-
2 Mpanjaka 25:23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Raha vao henon’ny lehiben’ny tafika rehetra sy ny miaramilany fa nanendry an’i Gedalia ny mpanjakan’i Babylona, dia nankany amin’i Gedalia tany Mizpa izy ireo. Ireto avy izany: I Ismaela zanak’i Netania, Johanana zanak’i Karea, Seraia zanak’i Tanometa Netofatita, ary Jazania zanak’ilay Makatita, niaraka tamin’ny miaramilany avy.+
-
-
Jeremia 40:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Koa nankany amin’i Gedalia zanak’i Ahikama tany Mizpa+ i Jeremia, ka nijanona niaraka taminy, teo amin’ny vahoaka sisa tavela tao amin’ilay tany.
-