-
1 Samoela 9:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Raha vao tafiditra ao an-tanàna ianareo, dia ho hitanareo izy. Mandehana dieny mbola tsy miakatra hisakafo eny amin’ny toerana avo izy. Tsy hisakafo ny olona raha tsy efa tonga izy, satria izy no manao vavaka fisaorana alohan’ny hihinanana an’ilay sorona. Vita izay vao mahazo misakafo ireo nasaina. Miakara izao dia izao, dia ho hitanareo izy.”
-
-
1 Samoela 9:24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Dia nalain’ilay mpahandro ilay feny sy ny hena niaraka taminy, ka narosony teo anoloan’i Saoly. Ary hoy i Samoela: “Io naroso ho anao io ilay efa natokana. Hano, fa efa natokan’izy ireo ho anao ho amin’ity fotoana ity izy io. Efa niteny tamin-dry zareo mantsy aho hoe manam-bahiny.” Dia niara-nisakafo tamin’i Samoela i Saoly tamin’iny andro iny.
-