-
Josoa 18:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Natao ny antsapaka ka nahazo anjara ny fokon’i Benjamina, araka ny fianakaviany avy. Teo anelanelan’ny faritry ny tanin’ny taranak’i Joda+ sy ny an’ny taranak’i Josefa+ ny tany azony. 12 Nanomboka teo amin’ny Reniranon’i Jordana ny ilany avaratra amin’ny tanin’izy ireo, ka niakatra hatrany amin’ny tehezany avaratra amin’i Jeriko,+ dia niakatra niankandrefana nanaraka ny tendrombohitra, ary tonga hatrany an-tany efitr’i Beti-avena.+
-