-
1 Samoela 13:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Dia nifidy 3 000 lahy tamin’ny Israely i Saoly, ka ny 2 000 niaraka taminy tao Mikmasy sy teny amin’ny faritra be tendrombohitr’i Betela, ary ny 1 000 niaraka tamin’i Jonatana+ tao Gibea,+ tanànan’ny fokon’i Benjamina. Ny olona sisa kosa nalefany nody tany amin’ny tranolainy avy. 3 Dia namely ny toby miaramilan’ny Filistinina+ tao Geba+ i Jonatana, ka henon’ny Filistinina izany. Ary nasain’i Saoly notsofina nanerana an’ilay tany ny anjombona,+ ka hoy izy: “Tokony ho fantatry ny Hebreo izany!”
-