-
Genesisy 24:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Koa aleo re mba izao no hitranga e: Izay tovovavy teneniko hoe: ‘Mba ampidino kely ny sininao hisotroako rano’, ka mamaly hoe: ‘Misotroa àry! Ao fa homeko rano koa ny ramevanao’, dia enga anie mba ho izy ilay fidinao ho an’i Isaka mpanomponao. Dia izany no hahafantarako fa tianao ny tompoko sady tsy mivadika aminy ianao.”
-
-
Mpitsara 7:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Ary henoy ny resak’izy ireo, dia amin’izay ianao ho sahy* hanafika ny ao an-toby.” Dia nidina izy sy Pora mpanompony ka nankany an-tsisin’ilay toby.
-
-
1 Samoela 10:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Rehefa mitranga ireo famantarana ireo, dia ataovy izay azon’ny tananao atao, fa manohana anao ilay tena Andriamanitra.
-