-
1 Samoela 20:42Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
42 Ary hoy i Jonatana tamin’i Davida: “Mandehana ary mirary soa ho anao aho, fa efa samy nianiana+ tamin’ny anaran’i Jehovah isika hoe: ‘Enga anie i Jehovah no ho vavolombelona amiko sy aminao, ary amin’ny taranako sy ny taranakao, mandrakizay!’”+
Dia nitsangana i Davida ary lasa nandeha, fa i Jonatana kosa niverina tao an-tanàna.
-
-
1 Samoela 23:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Dia nanao fifanekena+ teo anatrehan’i Jehovah izy roa lahy. Ary mbola nijanona tao Horesa i Davida, fa i Jonatana kosa lasa nody.
-
-
2 Samoela 9:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Ary hoy i Davida: “Mbola misy olona anisan’ny fianakavian’i Saoly ve any? Tiako haseho aminy mantsy hoe tia azy aho sady tsy mivadika aminy, noho ny amin’i Jonatana.”+
-