FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 2:12-17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Ary ny zanakalahin’i Ely dia olona ratsy fanahy.+ Tsy niraharaha an’i Jehovah izy ireo. 13 Izao no nataon’izy ireo tamin’izay tokony ho anjaran’ny mpisorona avy tamin’ny vahoaka:+ Isaky ny nisy nanao sorona, dia tonga ny mpanompon’ny mpisorona nitondra fitrebika telo rantsana.* Rehefa nandrahoina ny hena, 14 dia nalainy ilay fitrebika ka natsindrony tao anaty vilany, na tao anaty vilany misy tahony roa, na vilanibe, na vilany misy tahony iray. Izay azon’ny fitrebika dia nalain’ny mpisorona ho azy. Izany no nataon’izy ireo tao Silo, tamin’izay Israelita rehetra tonga tao. 15 Mbola tsy vitan’ilay olona nanao sorona akory ny nandoro ny tavin-kena mba hidona-tsetroka,+ dia efa nisy mpanompon’ny mpisorona tonga niteny taminy hoe: “Omeo hena hatsatsika ny mpisorona. Tsy mila hena nandrahoina avy aminao izy, fa hena manta ihany.” 16 Ary raha niteny taminy ilay olona hoe: “Aleo aloha hodorana mba hidona-tsetroka ny tavin-kena,+ vao haka an’izay tianao ianao”, dia hoy izy: “Tsy misy an’izany fa tonga dia omeo ahy izao dia izao ilay izy. Raha tsy izany dia halaiko an-keriny!” 17 Tena lehibe teo anatrehan’i Jehovah àry ny fahotana nataon’ireo mpanompo ireo,+ satria nanao tsinontsinona ny fanatitra ho an’i Jehovah ireo lehilahy ireo.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara