-
Genesisy 18:3, 4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Dia hoy izy: “Raha ankasitrahanao aho, Jehovah ô, dia aza andalovana fotsiny re ny mpanomponao e! 4 Ao re mba hitondrana rano kely ianareo, dia hosasana ny tongotrareo e!+ Dia eo ambanin’ny hazo eo ianareo mitsotsotra rehefa avy eo.
-
-
Lioka 7:44Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
44 Dia nitodika tany amin’ilay vehivavy izy, sady niteny tamin’i Simona hoe: “Hitanao io vehivavy io? Niditra tato an-tranonao aho, nefa ianao tsy nanome rano ahy hanasana ny tongotro. Fa io vehivavy io kosa nahakotsa ny tongotro tamin’ny ranomasony, ary nanamaina an’izany tamin’ny volon-dohany.
-