12 Lasa àry i Davida naka ny taolambalon’i Saoly sy Jonatana zanany tany amin’ireo mpitarika tao Jabesi-gileada,+ izay nangalatra azy ireo teo amin’ny tany malalak’i Beti-sana. Teo no nanantonan’ny Filistinina azy ireo, tamin’ilay andro namonoan’ny Filistinina an’i Saoly tany Gilboa.+